lirik lagu vhf – valim-bavaka
mba ambarao mazava aminay ry ray
fa mbola misy zavatra tsy takatray
ny tsy hamalianao ireo vavakay
hatramin’izao ka hatramin’izay
fa mbola feno fahotana ve zahay?
ka mbola tsy voavelanao ny helokay
na de miantso anao osan’andro aza izahay
dia ny omaly tsy miova ny fiainanay
_ tsy ho kivy anie aho miantso anao ray malala o!
hiantso anao foana ity zanak’adala
efa ela anie aho no mb te hiala
amin’ny fiainana toa kidaladala
raha sitrakao re ry tompo omeo ahy ny hery
hiatrehako ny ampitso ho avy misitery
tariho lalana aho mba tsy ho very
fa malemy sy ontsa feno fery
mba iza moa ry ray no hitarainako
afa-tsy ianao izay nanao ny fiainako
raha mitady hamolaka ahy ny zava-manjo
ianao ihany no andry iankinako
hialako tsiny re ry tompo aminao
na dia efa kivy tsy te hiaino ahy aza lanao
indro aho ry tompo raiso fa adidinao
efa trotraka miangavy, mitalaho
_nangoniko ny heriko tato anaty
hanazava ny finoako mba tsy ho faty
efa hatrin’ny ela anie aho no efa nino
fa ny raiko ambony tsy manadino
ifonako ny ditra sy ny adalana
tsy hataoko intsony ny handika lalàna
indro ny tenako atolotro anao
inty aho ry tompo hirakao
hirakao
Lirik lagu lainnya:
- lirik lagu dot rotten – can’t test my crew
- lirik lagu matronator – первитин (matečák hardbass remix)
- lirik lagu steen, steff & ezg – nymfo
- lirik lagu pashanim – ganggang
- lirik lagu manafest – come back home
- lirik lagu riley – the baseball of beers
- lirik lagu the 77s – bottom line (vocal take 1)
- lirik lagu shay – prends ton time
- lirik lagu kaotic klique – living by my rep
- lirik lagu rain dreamer – bullets