lirik lagu rija ramanantoanina – tsy fitia
tsy fitia tena fitia no niaretantsika mahamay
fa sandoka, sarisary, aloka
tsy fitia tena fitia fa endrika mamitaka ny fo ‘zay mody tia
no nanintona ahy ho anao
haravona mora lo
hafaliana efa tonta no nameno fo
dia voafitaka tokoa
ka niroboka vao sempotra
tsy fitia tena fitia no niaretantsika mahamay
fa sandoka, sarisary, aloka
tsy fitia tena fitia fa endrika mamitaka ny fo ‘zay mody tia
no nanintona ahy ho anao
haravona mora lo
hafaliana efa tonta no nameno fo
efa firifiry koa
ranomaso sisa namana manaiky ny hiara-dàlana amiko
hadisoana tsotra izao
niarahana natao, mankalao
fa ny nofy efa nandà tsy nety hanaraka vetsovetsontsika roa
efa fantany mialoha ;
tsy mba vitsivitsy koa ny bitsiky ny alina
efa mila hankaleo
nefa marina ireo
fa raha azo no mandà
tsy hanjary ho fanaka
dia aleo fongorina
na raha toa tsy hanome
izay tokony omena dia efa anisan’ireo zava-mora lo
hadisoana tsotra izao
niarahana natao, mankalao
fa raha azo no mandà
tsy hanjary ho fanaka
dia aleo fongorina
na raha toa tsy hanome
izay tokony omena dia efa anisan’ireo zava-mora lo
efa leo ny hoe tianao aho
tsotra ny azo atao
tsy nanatsoina ho ahy ianao
hadisoana tsotra izao
niarahana natao, mankalao
Lirik lagu lainnya:
- lirik lagu lil faygo – old town road (parody)
- lirik lagu swez – bop freestyle
- lirik lagu shpundildit – подростковая любовь
- lirik lagu man deep – plain man
- lirik lagu ducktails – plastic melody
- lirik lagu community music – most (live)
- lirik lagu tory lanez – what happened to the kids
- lirik lagu kompromat – de mon âme à ton âme
- lirik lagu yvng militia – flying far (feat. ybz vandr)
- lirik lagu cosmic7beats – space docks