lirik.web.id
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

lirik lagu rija ramanantoanina – saraka

Loading...

raha sendra mandeha

any atsimo any ianareo lahy !

lalovy ny aty

fa nisy iray any atsimo any ho any

nandao ny tety

raha sendra mandeha

any atsimo ianareo lahy !

lalovy izahay…

hafatra kely dia kely

miangavy raha zakanareo aho !

mba hiran’ny fo diso tia

nilaozan’ilay nianatsimo

ny aty hoe “tsy miova fitia”

ataovy an-taretra ny anarako dia

avelao any ho any

soraty an-taretra ny anarako dia

apetraho any ho any…

fandrao dia mba hitany ihany aho

fandrao dia mba sendra azy ihany aho…

nibitabitaka ery, nifanolotra peratra

indray andro izay

teo imason-dray nifanaiky fa

hifankatia ho mandrakizay

ho doria !

toa revom-pitia, nifanaiky

fa masina, tsy kilalao

ity fanambadiana

tsy nifanerena

fa niaraha-nanao

nefa aiza izao ? ?

nitsinjatsinjak’ery

safotry ny hasambarana

ireto anao

toa volan-tantely isan’andro isan’andro

ny fiainan-jareo

kinanjo indray andro dia

niakatra avo ity feo :

dia raikitra koa

ny ompa razana sy ny antso vonjeo !

dia tapaka fa

hoe hisaraka…

omeo ahy izay ahy

ento any ny anao !

inty ahy, inty anao, ‘ty mba ahy

ireto anao, inty ahy, inty anao

omeo ahy ! izay ahy any aminao

omeko anao, ny anao fa anao…


Lirik lagu lainnya:

LIRIK YANG LAGI HITS MINGGU INI

Loading...