lirik.web.id
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

lirik lagu rija ramanantoanina – izy

Loading...

lasa fomba fanaony ny mitan-takolaka

dia nandefa ny sainy hamaky ny aizina

te-hiangavy ny kintana hindrana volana

mba hitondra ny fony, hitondra azy handeha

izy niangavy kintana hivatsy izay zakany

izy niantso ny volana hibata ny vatany

izy maniry handeha, fa tsy afaka mandeha

ranomaso no setrin’ireo faniriany

lasa fomban’ny olona fomba isan’andro

ny manao azy ho solom-pamataran’andro

rehefa injay misitrika ny masoandro

d’efa iny izy eo an-tokonana eo

ny fiainany indray misitery tsy fantatra

tsy mba misy ny iray an-tanàna ka namany;

izy toa tsisy feo, eo an-tokonana eo

ranomaso no lasa fanampin’anarany

fa izy ‘lay nilaozan’ilay tiany izay nandeha fa leo

f’efa leon’ny fiainana niainany

mangatsiaka toa f-n-la “raha oharina “

fa izy ! lay nolavin’ny rehetra hiaraka aminy

‘lay nandà koa ny tontolo mba ho namany

izy te handeha mialoha fa :

tia hangina hatreo !


Lirik lagu lainnya:

LIRIK YANG LAGI HITS MINGGU INI

Loading...