lirik.web.id
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

lirik lagu mr razafy – ataoko ahoana

Loading...

ataoko ahoana ny filaza

ny ato am-poko manirery

na dia lavitra aza ianao

eny n’aia n’aiza izany

tafasaraka isika

mahatsiaro tena very

ny eritreritro mipetraka

eo anilanao hatrany

n’aiza n’aiza misy ahy

r’ilay nomeko ny fitiavako

tsy mba tanako ny sento

ny vetsovetsoko tsy hangina

voafefin’ny elanelan-tany

ka takona ny tavako

ny embonembona tsy maty

no ianao ry olon-tiana

tsy hohadinoiko ianao

raha mbola tany koa ny tany

ny masoandro vao maraina

afaka hanambara izany

fa ranomason’olon-tia

no mandena ny takolaka

raha mamisavisa anao

amin’ny andro tolatolaka

tsy hivoana sanatria

na voakosoka ato an-tsaiko

ireo teny mamy izay natao

no hany sisa mba hapetraka

ireo voady nokasaiko

ny miova tsy mba haiko

jambanao izato tenako

toa iharan’ny hetraketraka

ataoko ahoana ny filaza

ny ato am-poko manirery

na dia lavitra aza ianao

eny n’aia n’aiza izany

eny n’aiza n’aiza izany …..


Lirik lagu lainnya:

LIRIK YANG LAGI HITS MINGGU INI

Loading...