lirik lagu mahaleo – ny lasantsika
ny lasantsika tsy hay hofafana
tsy mety mangatsiaka fa tadidiko mazana
ireo safosafo sy angolangola
namela afo tsy mety tola
toa tsy tantin’ny saina ny mieritreritra fa
ianao ilay nolalaina mitampify an-tratran’olon-kafa
ireo teny mamiko naverinao ho azy
hay izy ireny tamiko mbola vazivazy
izaho no namafy, ny hafa no nijinja
izao indray no niafy fa nilaozanao nifindra
natao lamba tonta aho, natsipy toa rovi-damba
zary natontatonta,lany tsirony angamba
ilay vatanao mangovitra raha tojo hafaliana
ny ambany miovitrovitra, tsara karakaran’olon-tiana
ny rangotrangotrao tratra hafa no ratrainy
reo antsoantsonao, ny molotrao notsenainy
tsy ilay nisolo toerana no ankahalaiko
fitia tsy azo ferana, ny fahavaloko hajaiko
fa ianao kosa mbola antenaiko
mbola tsy afa-trosa, izaho ve dia hiala maina
Lirik lagu lainnya:
- lirik lagu aniket raturi – aagaaz (interlude)
- lirik lagu mitchell tenpenny – anything she says
- lirik lagu the jackalopes – those great big…(memories)
- lirik lagu jennifer-lynn christie – voices
- lirik lagu lil moss – pa’riba
- lirik lagu nicoletta bauce – un campo che brucia
- lirik lagu linx – i don’t want to learn
- lirik lagu gomorrah – for those of eld
- lirik lagu abou debeing – toi et elle
- lirik lagu rachita arora & arun dev yadav – para para