lirik lagu lolo sy ny tariny – bonbon gasy
tsy tany am-parihin’itasy aho omaly
tsy nahita ilay voninkazo tianao
ka indro nitondra ireo bonbo gasy
(porofom-pitiavako anao) ka ny mamy omeko anao!
bonbo mantsy
misy loko maro
ho entina mahatsiaro ireo zava-maro nataonao taloha
bonbo mantsy
mba voninkazoko
ariary tokony hahazahoako sigara
naleko nihafy tsy nifoka akory
naleko nividy ireo bonbo gasy
eo anilanao aho mihafy
bonbo mantsy
maharitra am-bava
mora mampisavava (ireo zava-maro nataonao taloha) ny gidin’ny fiainana
fa mankalao!
bonbo mantsy
no solon-tsigara
sendra an-dry zalahy aho voatery nitsoaka
naleoko nihafy tsy nisotro toaka
naleoko nividy ireo bonbo gasy
eo anilanao aho mihafy
bonbo mantsy
(eo anilanao) zaraina aminao
toa tsy mankalao fa mamy daholo izao tontolo izao
bonbo mantsy
mba fifaliana koa
fa maiky ny hamonjy ny anilanao
ka indro solafak’ity havanao
indreo nianjera ireo bonbo gasy
tomany aho, nagasihasy
bonbo mantsy
raha sendra ka very
tsy maha-te-hijery ireo masonao efa nanantena
bonbo mantsy
mba fahoriana koa
Lirik lagu lainnya:
- lirik lagu gizmo (rapper) – 1000 blunts freestyle
- lirik lagu beau jordan – hey!
- lirik lagu stanford fleet street singers – safety school (harvard diss track)
- lirik lagu rockwasser – niemals enden
- lirik lagu belles in monica – y’all under surveillance (g-sharp remix)
- lirik lagu 3rei sud est – mă doare
- lirik lagu astroanxiety – egotistic
- lirik lagu yung313 – rags2riches
- lirik lagu cyberdeath – fatso
- lirik lagu fiction223 – tell me