lirik.web.id
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

lirik lagu lolo sy ny tariny – bao mijijy

Loading...

bao mijijy

fa tsaroako ireo lalao tao anaty lobolobo
tapakazo no mba basy tamizany
ialahy ilay role manenjika mandresy
izaho ilay bandy maty resy hatrany

hakandasitra lery no nifanekena
fa nahoana ny any ialahy no tena izy?
ireo kanety n-bakoko ny maraina
lasa, lany, tapitra tsy nisy

angamba angamba angamba maty lolo
matoa mbola niaritra an izany!
ialahy ilay hazo tsara kolokolo
etsy akaiky aho bozaka mandady

hala-botry sy ny ditra ary niampy vangabao
izany lesy no niarahana natao
nahoana ialahy no tsy voakitikitika
izaho anefa feno takom-pery

raha vao lasa i bao mijijy ka nitondra zinga kely
ka mivadika atsy ambadiky ny trano
ialahy no atao atsangory, ka afaka nijery
izaho avy ato ambany maminany

angamba angamba angamba maty lolo
matoa mbola niaritra an izany!
ialahy ilay hazo tsara kolokolo
etsy akaiky aho bozaka mandady

toy ny aponga tsara rindra, niaraka nibodoboka
ny fotsika t@ bao mijijy
ny azy ny safidy vita hatrany ampiandohana;
izaho voaozona hitanjiro

ny valalatsika tsy mba hoe nifanapahana
fa lasan’ialahy manontolo
aleo ary aho hametraka veloma, any ankoatra indray angamba mihaona

mazava, mazava, ny lalana ho diaviko
tsy misy tsindry aloka intsony
mazava, mazava ny lalana hoadiaviko
tarafin’ny masoandro avy any ambony

fa tsaroako ireo lalao tao anaty lobolobo
tapakazo no mba basy tamizany
ialahy ilay role manaenjika mandresy
izaho ilay bandy maty resy hatrany


Lirik lagu lainnya:

LIRIK YANG LAGI HITS MINGGU INI

Loading...