lirik lagu kiady – izaho sy ianao
mbola hafa ihany ny anilanao
feno fitia tena mafana akia
sarotra amiko ny hanadino anao
na dia lavitra aza indraindray ny elanelana
ny alina mangina, ilay sarinao ataoko an-doha fandriana
hampihaona ny eritreritra
tsy andriko ny maraina ahitana anao
hitantarako indray ilay nofintsika ho iray
hikalo ao am-poko ao ilay fitia efa voatokana ho anao
n’aiza n’aiza, mba rahoviana?
ianao irery ihany no antsoiko hoe:\”tiana\”
fa izao tontolo izao zava-poana raha tsy eo ianao
ny andro ratsy anilanao anjary lohataona
tena sambatra aho nomen’andriamanitra anao
f’ianao mahatoky ahy, izaho tsy hanary anao
sady ny antsika mitsaika milamina ihany
fandalovana ety, atao matsiro ny fiainana an-tany
ka na ho avy ary ny farany
izao hita maso izao potika sy foana
izaho sy ianao efa niara-tsambatra
fa na iza hitabataba, izaho sy ianao noho izaho sy ianao
valaka eo izy
fa na iza himenomenona, ireo mpanaratsy no hanenina
very eo izy
Lirik lagu lainnya:
- lirik lagu mary j. blige – mary jane (all night long) (live 1998)
- lirik lagu плакса (plaksa) – stonerbox auto
- lirik lagu asian da brat – you fu
- lirik lagu phil wickham – how great is your love (house sessions)
- lirik lagu seventiine – trop loin
- lirik lagu azure the paradox – off my chest / before it all ends
- lirik lagu oromocto diamond – océan
- lirik lagu gia – belladonna
- lirik lagu joe pug – downbound train
- lirik lagu lil b – come upstairs interlude