lirik.web.id
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

lirik lagu kemyrah – sary an-tsaina

Loading...

mba alaivo sary an-tsaina hoe gasy manantena
hoe tsy ho nofinofy intsony ilay hibata fandresena
mba alaivo sary an-tsaina hoe madio be ny tanàna

dia ilay toe-tsaina koa torak’izany
dia miaro ny vahoaka ny manam-pahefana
dia hoe tena mihatra amin’izay ny lalàna
alaivo sary an-tsaina hoe milamina ny fiarahamonina
dia ilay madagasikara feno fandriam-pahalemana no mahate honina
dia mianatra daholy ny zaza gasy
namany hatramin’ny taratasy
dia ny rehetra afaka haneho ny heviny tsy an-katerena tsy ambanana basy
dia ho feno ankizy am’zay ny dabilion-tsekoly ato ho ato
tsy hoe hangataka an-dalam-be hoatry ny ataon’ireo zazakanto
alaivo sary an-tsaina hoe tsisy intsony ny mpangataka, tsisy intsony ny mpangalatra
dia hanjaka amin’ny fiaraha-monina ny fifankatiavana sy ny fihavanana
dia hoatry ny any afinda eny -n-lakely
tsy ho voahambana amin’ny antsy rehefa eny amin’ny lalan-kely
alaivo sary an-tsaina hoe tsy olana ny vola
ny toetra, ny fihavanana hoatry ny fahagola
hoe miakatra amin’izay ny sandan’ny ariary ry longo
amzay ilay sipa malagasy tsisy ho raofindry vozongo
hoe malagasy mahay miaina
tsy voazanajanaka ara-tsaina
ho lavitry ny fahoriana, ho lavitry ny fanaratsiana

lazaiko aminao
izao fiainana izao
tsy ho sento sy hakiviana sy haratsiana lava foana izao
fa ho avy aminao ilay masoandro vao
lazaiko aminao
izao fiainana izao
tsy ho sento sy hakiviana sy haratsiana lava foana izao
fa ho avy aminao ilay masoandro vao

ahoana raha tsaraina ara-potoana
ireo voatazona vonjy maika eny antanimora
alaivo sary an-tsaina hoe tsisy afa-bela
izay maty manota dia tsy afaka mora
dia tsisy kolikoly intsony eny amin’ny fitsarana
hoe rehefa misy vola dia afaka maina
hoe tena mba hiasa ireo mpanao lalàna
ny solom-bavam-bahoaka mba mihaino taraina
alaivo sary an-tsaina hoe ny vidiny harem-pirenena
hanaovana asa sosialy mibaribary
ho foana amin’izay ny tsindry hazo lena
mahatonga ny fiainana eto dago tsy zarizary
alaivo sary an-tsaina na iray minitra monja
tsy misy gadra, tsy misy ny fonja
ilay malagasy kely ho lavitry ny loza
dia hiala amzay le toe-tsaina-na foza
hoe mifankatia lavitry ny lolom-po
fitiavana no manjaka
hoe tena firaisan-kina amin’izay no mahazo laka
heritrereto hoe rehefa mba mitaky ianao dia misy mahare
hoe hibata ny fandresena amin’izay ny ekipan’ny barea
alaivo sary an-tsaina
aleo manonofy mandritra ny ora maro
satria izay ihany no mba afaka ataon’ireo tanora maro
miainga amin’ny tsirairay anie ny fivoarana
zarao amin’ny namanao koa izay hanananao

lazaiko aminao
izao fiainana izao
tsy ho sento sy hakiviana sy haratsiana lava foana izao
fa ho avy aminao ilay masoandro vao
lazaiko aminao
izao fiainana izao
tsy ho sento sy hakiviana sy haratsiana lava foana izao
fa ho avy aminao ilay masoandro vao

mbola ho avy ny anjaranao


Lirik lagu lainnya:

LIRIK YANG LAGI HITS MINGGU INI

Loading...