lirik.web.id
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

lirik lagu ifanihy – irery madama

Loading...

irery madama, irery tao an-tanàna

fa tsy ao ramose, fa lasa nadeha tournée

toa sakodiavatra izy ny hatory, toa oriory

fa ilay alina mangina, nefa ny vady tsy ao am-pandriana

raha mbola variana, nisento sy nitomany

dia nisy nandona, tany ivelany tany

toa raiki-tahotra izy ny hamoha, nivadi-po

ka indro lehilahy no tao, toa endrik’olona vaovao

dia nampandrosoiny, ilay nampivadika ny fony

ka tonga dia nipetrapetraka, natavitavy resaka

feno sangisangy, ny resak’ilay mpamangy

na resaka blague io na matoto, tafiditra tao avokoa

dia nony avy eo, dia nangina aloha ry zareo

nitsangana rangahy, nanolotra chocolat

nitohy indray ny korana, nihanafana

toa nihamaivana tokoa, ny alahelon-dramatoa

fa tato afara, nivadika ny tantara

nipaika ilay ora, hifanakalozan’ny rora

saika hifamihina avy hatrany, dray re ry tany

fa saingy toa nisalasala, tsy nety tampoka indray rakala

tsy nety ho tafita, loza fa nisy nahita

satria nivandravandra be ilay sarin-dramose, izay lasa nandeha tournéé

nanaja ny voady, ilay saika hanitsakitsa-bady

f’ilay rangahy kosa niala maina, tsy raikitra ka nangaina


Lirik lagu lainnya:

LIRIK YANG LAGI HITS MINGGU INI

Loading...