lirik.web.id
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

lirik lagu black jack’s – mba tandremo kely lesy

Loading...

mba tandremo kely lesy (2)

‘ty fiainana ity anie ka be fikafika

mba tandremo kely lesy

mitolona lery mba ho tafita

ny fandrika hiaraha-mahita

zaran’olona aza ialahy midaraboka dia any dia tsy hita

mba hevero kely lesy (2)

‘ty fahazarana variana fahiny

mba hevero kely lesy

be no lasa adala amin’iny

azony izay rehetra niriany

saingy zara raha miakanjo sy mivarilavo ankehitriny

zandry a ! ny tany anie ka malama maina

tsy ampy lesy ny mitaraina

mba tanora ve lery sao refa drodroka tsy manana hataina

zandry a ! tsy vita tranga lela ny miaina a

tsy ampy lesy ny mitaraina

sao ny namana niarahana ela tafita, ialahy tonga saina

mba tandremo kely lesy (2)

ny tendrim-po anie ka tsy mba akama

mba tandremo kely lesy

ny fo anie ka rano mafana

ny teny lasalasa tsy tana

mbola ho averina amin’ialahy rehefa tonga ny fotoam-pijinjana

zandry a ! ny tany anie ka malama maina

o mba saino kely lesy (2)

i dada sy i mama anie ka tsy ao intsony

o mba saino kely lesy

ny hahatafita antsika no nimasoany

ny hampisandratra an’ialahy ho ambony

ny fahendrena no mba lova napetrany amin’ialahy, ka arovy

zandry a ! ny tany anie ka malama maina


Lirik lagu lainnya:

LIRIK YANG LAGI HITS MINGGU INI

Loading...