lirik.web.id
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

lirik lagu ampifitia – soa jeso fa eo ianao

Loading...

he manonja e manonja ô,ny onjam-piainana

ka mila ho rendrika ny sambokeliko

izay jereko haizim-pito, takon-dava ny ampitso

iza re ? ô iza? no hamonjy ahy

soa jesô fa eo ianao mpamonjiko, mpanavotro

atsotrako jesô ny tanako,avoty aho raha sitrakao

anaro re jesô ny rivotra hangina tsy handrivotra

teneno jesô ny haizim-be hisava io raha vao mandre

he mafaitra ka tsy laitra izany fahoriako

ka mila hankarary sy mila hampamoy fo

fitsapana mazana tokoa ady mankarary an-doha

iza re? ô iza ? no hamonjy ahy

soa jesô fa eo ianao nandresy izao tontolo izao

sokafako jesô hidiranao ny foko ka dia hanjakao

sao mantsy ka ny otako no antok’izao sedra izao

hifonako jesô ka avelao raha ankaso kosa dia ravao

he manonja ka tsy tondra itony zioga entiko

kamila hanapaka ny fara hatoko

fa ny tafik’i satana tsy misy fiafarana

iza re?ô iza? no hamonjy ahy

soa jesô fa eo ianao izay mpandrava sarotra

ka azo antoka fa tsy mandao mpiandry tsara matotra

ka ny manjo an-koditro ny tafik’ilay rafiko

hisava jesô ho dila ireny raha vao ianao no miteny


Lirik lagu lainnya:

LIRIK YANG LAGI HITS MINGGU INI

Loading...