lirik.web.id
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

lirik lagu ambondrona – ny fitempon’ny foko

Loading...

1
eny an-dalana aho, eny @arabe
mihevitra sao mba ho hitako eny
‘lay salovana efa mahazatra ahy
nofiko ao anatin’ny alina
namany aho nefa izaho tsy sahy
ilay endrika efa haiko tsianjery
vitako sary an-tsaina, tsy an-kijery
na mitabataba aza ny tontolo
na ho takona aza aho tsy ahoako akory
fa ny hanitrany ampy ahy hanimbolo

ref :
dia ity fo manontany
injao ny saina hamaly
tsy maintsy mbola ho fantany eo ihany

ho reny manakoako any
ny fitempon’ny foko
an-tsaina fotsiny izy aloha no fihiniko
fa rehefa eo izy zaho mody tony
nefa tsy te hiala eo intsony

2
f’izany anefa indraindray
ty fo tokana mitempo iray
te hamoaka izay mba faniriana
miverina manahy ny efa noahiana
raha lavina koa mbola fahoriana

ref :
dia ity fo manontany
injao ny saina hamaly
hoe aleoko miandry hatrany
tsy maintsy mbola ho fantany eo ihany

ho reny manakoako any
ny fitempon’ny foko
an-tsaina fotsiny izy aloha no fihiniko
fa rehefa eo izy, zaho mody tony
nefa tsy te hiala eo intsony

dia ity fo manontany …
… nefa tsy te hiala eo intsony


Lirik lagu lainnya:

LIRIK YANG LAGI HITS MINGGU INI

Loading...