lirik lagu stoika thug, artemus, prime - nofy
couplet 1:
aza fohazina aho
aleo hianoka ny nofiko hiandry ny andro zoma
hiandry ‘lay ora ahombiazako higadona
dia hisidina avo tsy misy ahazona
tsy misy ny ahazona ahy
haiko ny tompo miahy sy miambina ahy
ny tsiky eny amin’ ny tava hanamaina ‘lay alahelo miandrona ato am~poko
navotsotro ianao satria tsy nanambina ahy ka aleo aho handroso
mbola lavitra koa raha ny lalana ho diavina,. tsy mijery “retro” ‘ zah fa any aloha no mibanjina
tsy haiko ny manavaka ny nofy, faniriana sy ny tanjona
fa haiko hoe mba ahatanteraka an’ ireo dia mila lazon’ady
latsinainy hatramin’ny alahady
mila mikofoka aho
hustler ohatran’ny mendev tsy miandry an’iza hanosika aho
izaho ilay singam~bolo tonga hanandavo ny voahositra
ny fiadina ety an~tanako tsy mbola votsotra
indraindray ny miaina eto maha sosotra
fa aza fohazina aho b~tch, aleo hianoka ny nofiko ihany
refrain:
ariary atakalo nofy
mamafy, mamafy, tsy hay hoe rahoviana no hioty
hivavao mba ho salama tsy harofy
fa tsy maintsy hita izay tadiavina hatreto aho tsy manary toky
couplet 2:
faranako eto daholo ny alahelo dia mifantoka amin’ny fikasana aho
plan x mbola misy fa tsy hoe b no fika farany
ny tanjona apetraka am~pelatanany
tsy variana amin’ny velan~tanana sao ho tratrin’ny velam~pandrika
amin’ny ray aho no miondrika fa tsy anatrehan’ny blem
ny nofinofy ao an~tsaiko no apetrako ho emblème
be ny amboletra, miandrandra karma
fa ‘zahay tsy matikambo izay no mahatonga ahy io ho calma
tsy mbola nikaly maraina
fa vola aloha alohan’ ny hiantso marraine
aleko mandinika tsara mihitsy amin’izay tsy manenina
tsy mifantoka amin’izay tsy mahaliana
fa ny biff mila mameno ny paosy
ny taoka tsy atao overdose
izahay mila la vie en rose
sady mila laoka sôsisy
fa tsy mionona amin’ilay kôzy hoe tena ‘zao sisa
dia mifocus amin’ ilay nofy fa tsy miheno sottises
refrain:
ariary atakalo nofy
mamafy, mamafy, tsy hay hoe rahoviana no hioty
hivavao mba ho salama tsy harofy
fa tsy maintsy hita izay tadiavina hatreto aho tsy manary toky
Lirik lagu lainnya:
- lirik lagu xiakko - hailey&bieber
- lirik lagu ares - psychologische oorlog (feat. hiltje)
- lirik lagu endsight - existence
- lirik lagu tainted lady - loverman
- lirik lagu tt (prt) - entra no meu club
- lirik lagu maestroguille - me perdí en barcelona
- lirik lagu khasa mane - newstalgia
- lirik lagu pimenta (pt) - groovin
- lirik lagu gmoneydt - betterdays
- lirik lagu mountain 11 - get home