
lirik lagu rija rasolondraibe - miandry anao
raha handeha ihany ianao
raha sitrakao
aza tena ilaozana tanteraka aho
fa izaho hatrizay tsy mahay
tsy zatra ilaozanao
tsy hisakana izay mba fanirianao anie aho
tsy hanimba izay mba tena tianao
fa ny hasambaranao no tadiavina
raha tsy misy ato an-trano
dia tsara tso-drano
nefa amelao sombiny amin’ny fitiavanao
mba amelao na izay sisa tsy zakanao
mba amelao na ho mpinamana tsotra izao
raha handeha ihany ianao
raha toa manembona ianao
na koa mahatsiaro izay niarahana taloha
ka matahotra na menatra ny hiverin-dàlana
fantaro
fa tsy hisakana izay mba fanirianao anie aho
tsy hanimba izay mba tena tianao
fa ny hasambaranao no tadiavina
raha tsy misy ato an-trano
dia tsara tso-drano
fa miandry anao
miandry anao foana ny toeranao
miandry anao
ireo izay efa nilaozanao
miandry anao
ny tia sy fitia
Lirik lagu lainnya:
- lirik lagu adeline - hifarana izao
- lirik lagu anthony "red rose" cameron - pleasure play
- lirik lagu dextergurmin - future in the past tense
- lirik lagu frères chaos - sole fresco
- lirik lagu jonathan ogden - slow down
- lirik lagu trịnh công sơn - xin cho tôi
- lirik lagu skeeptieel - nico yazawa vs """natsuki""" "2"
- lirik lagu pyhimys - kympin uutinen
- lirik lagu roo panes - quiet man (live at shepherd's bush empire)
- lirik lagu jgreen - bad mon