lirik.web.id
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

lirik lagu rap'na gents - rap

Loading...

chorus :

lalaiko, ny rap, lalaoviko ny teny
rima sy asa soratra mitambatra ho hery
maharitra, tsy lesy, manjaka fa tsy very
ilay kolotsaina vohizina voamaika mia mahery

mitia :

mazava ho azy noho nlazany nafantarako azy
degadegany ny nanombohako ny lalana
vety2 ah d’efa kopy raha mozika ty tsy vazivazy
nataoko rery aveo n’ahazo namana
tsy tena kopy fa narak’onja, natsiro ny gadona io fa tafalatsaka
tsy nanaiky rah tsy navita zova/ na dia be mpanindry tam vo nanomboka
rap ny resaka mozika nlalana mitia n’anarana nentina amantarana
lava2 ntantarany f’iny ts’valaparana
fa raha tsorina, nahazo kely tam fahamatorana
dia mbola ny mic alo ndorana, ny asa soratra mandrafitra
d otrzay fona nlokony rap’na gents tsy miova
fitiavako azy tsy hihofo/ miasa mafy dia milofo
satry tsy fantatra ny ampitso
ny hihotran’iza alo tsy aiko fa hatreto ny ah nkoboko, ilay mampanoratra amin’alina rap’na gents, mental

chorus :
lalaiko, ny rap, lalaoviko ny teny
rima sy asa soratra mitambatra ho hery
maharitra, tsy lesy, manjaka fa tsy very
ilay kolotsaina vohizina voamaika mia mahery

kj :

rap no nanombohako tsy maintsy hoe rap ihany no hiafarako
aminy ah tsy afa~miala ohatran’ny hoe trondro anaty arato
dia ny penina sy tastara ny ahy no solona kalaky (kalash)
ireo no mandrafitra ny fahendreko sy ny adalako
efa reko manakoako ka tsy mila atao lamako, ny fahalemeko anatiko ato efa lasa tsangambato. raha atao teny bango tokana dia izy ilay motivaka, mahatonga ah mijoro sy miarina hatram zao tsy vizana. mety oe ny tanjona samihafa fa ny gadona itovizana
izy ilay namako isan’andro rehefa ny life mihidy vazana
ny fitiavako azy tsy ho foana, tokam~po hatrany am~parany
raha zava~mahadomelina izy dia esma fa tsy rarany
ka rariny raha andaniako rora, rondoha sy fotoana
vola aman~karena foiko ho azy mandavantaona
loharanon’inspiraka, volamena fa tsy firaka
tiako izy matoa ifikirako, hita taratra am fomba fihirako

chorus :

lalaiko, ny rap, lalaoviko ny teny
rima sy asa soratra mitambatra ho hery
maharitra, tsy lesy, manjaka fa tsy very
ilay kolotsaina vohizina voamaika mia mahery
gent :

efa ela nankafizana, drafitra no hitovizana, fotoana no mety tsy ampy fa ny rap lo tohizana
hikirizana, ny texte soratana, tsy vizana
fitiavana, nanosika ah hanoy koa ny ady hatrehana
ketrehana, taona maro lasa nankafizana, vohizina, mitazona ny hakantony fa tsy lazany
tsy laozana hidongizina hitovy am’ts’isy atokona, fa miorina, manarina, mitraka fa tsy hivarina
tsy hiverina, izay rehetra nandamoaka nalavirina
fa ny rap nitondra herin~tsaina lo dia tsy hidivirana
nitovizana, tsy hiato na dia be ny mpanakihana, namolavola toetrasy toe~tsaina, aleo marihana
hifikirana, ny laza lo tsy ahiako aleo hipirina
ny sons ny atao mevosa d’zay mahaino aleo ho kirana
mba marina, fa ny rap aleo tsy aajanona, tohizana
taona mia~mitombo fa ny bandy aloha tsy vizana


Lirik lagu lainnya:

LIRIK YANG LAGI HITS MINGGU INI

Loading...