lirik lagu nony mouv - malahelo anao
[verse 1]
tadidiko teo tsotr’izao
ilay endrika misy an’ilay tsikinao
tsy haiko fa toa tsy mampino hoe namako akaiky no lasa nandao
tombon~dalana ny azy efa tompokovavy
manao azafady,mamoha fota~mandry
irery aho ry zandry satria tapa~tady
nilaozan’ilay sipa tia vazivazy
nangidy ny tsaky
tsy nahatelin~kanina fa fanimpanina aho ny tena marina nangasihasy
nandinika antsika tany an~dakilasy ilay tamin’izany
mifampisangy mivanivany
mahatonga saina anahy isa~maraina ilay hoe fandalovana eto an~tany
hatreto izay lasa tsy niverina
ianao mba nataoko hoe ho ela velona nefa indrisy
tsy afaka hamaha misitery nafenina aho f’efa zatra manaiky zava~misy
ianao sy prici’
tsy mba misaraka mihitsy
tsapako ilay alahelony rehefa nilaozanao kotsan~dranomaso izy
tsy izy irery fa maro no nisento nanganohano
indrindraindrindra ny ray aman~dreninao namoy anao tena naharary fa
izay moa no lahatra
isaorana zanahary amin’ny lafiny rehetra rehetra
hafatra ho an’ny rehetra rehetra
tadidio fa na ho ela na ho haingana dia mbola tsy maintsy hitsahatra avy
malahelo anao aho rehefa avy ny hariva
indrindra ny daty 27 desa
nandaozanao anay ho kivy
tena nangidy satria tsy nampino hoe ianao io no hohahibok’ao anaty fasana mihidy be,tsy hita e!
[refrain]
fa malahelo anao iky aho
izao tavela irery ety aho fa nilaozanao
[verse 2]
tsy hampiverina anao aho na higogogogo hitomany
efa firy ny akaikin’ny foko nandao f’hatr’izao izy ireny mbola tsy niverina ihany
izany hakiviako
tsy miala ato an~tsaiko ireo oran’ny tsiky ilay tany am~pianarana niarahantsika
na andro mafana io,na andro manara io vao nilazaonao aho dia izao nangatsiaka
(hey)tsy hoe rehefa lasa izy izay aho vao mahatsiaro
mifona aho raha izay no fandraisanao azy
tadidio f’isan’andro aho mivavaka ihany
ho anareo rehetra rehetra na lahy io na vavy
06 jiona ilay daty naterahanao re ry tompokovavy
aza tsiny aho raha toa ka manampy trotraka anao fa mamoha fota~mandry
(hey)tena azafady fa tena tsy mandry ny saiko hoe tena nandao
tena hoe nody mandry ve?
tsy haiko,f’ianao hotran’ny hitako foana eto akaikiko a!
mampitraka ahy ilay sendra manjetoka sady mibetroka hoe:
“vitan’laha io nony fa somary tsindromy dia izay vao alentika”
[chorus]
ianao ity niafina
tsy hay hofohazina
nialoha lalana ianao k’omeko hasina
tadidiko foana ianao ilay mba nibanjin’ahy
mandria am~piadanana iky indry ry tanjona a!
Lirik lagu lainnya:
- lirik lagu dna (ita) - tutto falso
- lirik lagu 1mistake - dwell.wav
- lirik lagu 03 greedo - spend time
- lirik lagu maeve noiré - wallpapered secrets
- lirik lagu only anthem - to tighten chains
- lirik lagu shiruetto - body language
- lirik lagu banda calypso - pot-pourri: warilow / te quero / feitiço (ao vivo em caruaru)
- lirik lagu benz0 - parasite
- lirik lagu mentosskrr - chicken jonkey fonk
- lirik lagu jang yechan (장예찬) - blooming