
lirik lagu nony mouv - alice
[verse 1]
indray mandeha mba nanao sary aho
izay hitako toa miondrika ihany a!
tsy haiko fa toa mitanondrik’avy
fa ianao tena hafa mihitsy a!
ry tovovavy kely izay tia mitsiky a!
mba hotr’anahy variana manao sary
saingy hoe tsisy mpiraharaha
di’hozy aho hoe tena mitovy amin’anahy
tsy kivy fa vao omay aza miezaka
mba mikiry mafy mitady ny hatsarana
di’hozy aho hoe na dia ratsy,asehoy ho hitan’i mama
tena faly izy,faly izy,aza hita indray ary hanakivy aho
[refrain]
iny ary,tsy efa ho impiry ary izay
soa ihany,fa nataony indray ilay sary
[pre~verse]
dia nataony ihany
tampoka teo nefa toa nivaralila ilay fiara dia diso ilay sary toa nipitika niala ny pensilinao ry kiala
[verse 2]
nanomboka kivy izy
tena ratsy loatra io ka natsipiny
nanary ora sarobidy satria vita hatreo hono ny adidiny
dia natsipy amin’ny tany ilay taratasy nanamboarany sary
noraisiko mba ho jereko toa tsara
manan~talenta izy,izay no azo ambara
dia mba te hilaza aho hoe tohizo ry kiala
kanefa indrisy ny ora milefa hatreto ny fetra hijanonako hiala ny fiara
dia ahoana ny hatao fa matahotra ho tara aho?
noraisiko ilay kitapoko dia niala aho(hmm)
izy kosa mitanondrika,tsisy mpitodika mba hitrakàna fa
[verse 3]
nasiako antom~piverenana satria tena tsy manan~kianteherana mihitsy ianao
di’hozy aho hoe tohizo ilay asanao
aza miahotrahotra na menatra amin’ilay kiry
halan’olona ianao fa mbola ho tiany
aza kivy ianao manohy ny ezakao
dia zakao,ity raiso ny pensily(ayy)
io fa faly
io fa notohizany indray ity sary
na dia sarotr’aza tsisy nofafany
ny iafarany,vitany io ka nomeny ahy avy hatrany,tsara loatra ny hatsarany
izay mba lany tamin’ny fomba ofisialy ilay fotoananao
vita tsara ity asanao,ka dia misaotra anao kiala(hey)
[outro]
tonga ity ny ora hifandaozana
ny endrikao faly no nanao veloma
mahafinaritra raha toa anao avy ny ankizy
tia ezaka tsy dia be resaka
sariaka endrika ianao no malefaka foana ry
alice
Lirik lagu lainnya:
- lirik lagu newlightchild - follower
- lirik lagu marvie kings - restore to me
- lirik lagu dayonsu - breathe
- lirik lagu scis - exclusive
- lirik lagu sylvie vartan - perche me dici no
- lirik lagu saydar - зaмутим
- lirik lagu dzo digital - crash your car (ok)
- lirik lagu relix the underdog - purple flowers
- lirik lagu theharrist - chips: whovares
- lirik lagu gidget gein - rotten people