
lirik lagu mirado - lasa
lasa tsy naharitra aho mba hizaha
ilay hasambarana any ambadika any ho any
ny veloma narahinao tomany
tsy mety ho adinoina hatrany anatiko any
toa tsy ho aiko ny hanao veloma anao
handao ireto masonao manganoano
tsy nahatsiaro vizana aho raha nioty
ireo voninkazonao tany an-tany lavitra any
fa ny mody ny ho eo anilanao
no hany fanafody hamalifaly anao
maika ery aho ny hamakivaky irony
alina mangina feno fahoriana
haizaina sy orana nandeha
hirifiry solafaka eny
ny f-n-la mitsilo aza very
tselatra no jiron-dalako
nefa izany fiaretako izany
nafeniko ihany,tsy ho fantatrao
na ireo izay mikiky nandratra ahy
dia miafina mangina ao anatiko ao,ao anatiko ao
nefa izany fiaretako
tonga aho tsy niserana ka nivazo aho
dia nipararetra feo
ka dia nanjoretra teo
nikotaba aho nikaroka anao
ny andao ireto maso mba hiverenanao
fa ny maso,ny rano mitoreo
manoritra tomany efa raha maneho
fa veloma,tsy fantatra intsony
ny ho avy hitanisa hatrany anaty fony
avelao aho hanao veloma anao
hangina samirery tsy hahatsiaro anao
lasa tsy naharitra aho mba hizaha
mitamberina eto indray
f’efa tojo ny andro iray
Lirik lagu lainnya:
- lirik lagu wolficide - down the street
- lirik lagu romii - you keep running
- lirik lagu orphan no more co - wide open spaces
- lirik lagu vigilantes of love - hard luck and heart attack (live at the axiom)
- lirik lagu saulo oliveira s. - johnny ride
- lirik lagu lil nas x - seoul town road
- lirik lagu prince - dear michaelangelo
- lirik lagu divingstation95 - the gospel of prosperity
- lirik lagu feldup - surface
- lirik lagu rushhy bandxz - fly shit