
lirik lagu hoby irina - mba ho an'i neny
neny o tsisy toa anao, eto amin’izao tontolo izao
tokana antany tsy fahita, ianaono nahavita e!
tsaroanay tokoa izao,reo fihafiana vitanao
reo fijaliana tsy hita isa, vavaka antapitrisa
zao hiranay izao, dia vavaka ho anao
ray o tsy ho voatania, tahio ny androny sisa e
neny o misaotra anao, ireto zanakao
nt fitiavanao miavosa, ankasitrahanay kosa
maro anefa aminay zao, efa kamboty tsisy anao
ianao no efa nampita, ny anjaranao dia vita e!
tsy ho adinonay tokoa ianao, tohizanay ny dianao
ao ny ray izay mahita, hiaro anay mba ho tafita
ray o, mba ho an’i neny, ity vavakay ombieny
aza avela hamy fo, fa omeo ny herimpo eee
reo kamboty tsisy neny, ampio izy ireny
ny fiantranao tsy voafetra , hombanao ny rehetra
tena tianay tokoa ianao , satrinay tsy handao
raha misy alahelo mamela, ireto zanakao
Lirik lagu lainnya:
- lirik lagu bonemolded - lucy aflame
- lirik lagu 10cm - 무슨 노래 듣나요? (your playlist)
- lirik lagu world's first cinema - broken
- lirik lagu 陳慧琳 (kelly chen) - 一念天堂,二人結界 (enchantment)
- lirik lagu sever red - gone
- lirik lagu maren morris - running
- lirik lagu rich will - g.o.d.
- lirik lagu jack tempchin - lifetime friend
- lirik lagu *septarchia mentivm - responsum i *gregis
- lirik lagu mailen pankonin - olas en mute