lirik lagu bessa sy lola - hehy
Loading...
hehy no ampinga enti-miady
fiarovana mba tsy ho voa
fa hahatoha
ny endrikendrika
o hery fanafenan-tomany
fierena raha misy manjo
na ratra am-po
mila handrendrika
tsy ilaozan-tsompatra hono ny ety
izay be mpitia
maro tsy tia
tsy ilaozan-tsembana akory ny dia
eny tokoa fa tany moa
nefa tsy mba resin’ankaso
izay mijoro hisedra azy ireo
tsy mitoreo fa miran’endrika
oh oh hehy fa tsy mba ranomaso
no ajorony ho toy ny tamboho
avy ao ivoho
ho an’ ny mpanenjika
ny fifosana avy etsy sy avy eroa
valina hehy miova tarehy
ny latsalatsa sy ny eso koa
marina moa raha tsy mikoa
….
izay be mpitia maro tsy tia
nefa tsy rendrika
Lirik lagu lainnya:
- lirik lagu lp - girls go wild (james krausse mix)
- lirik lagu crypted - different
- lirik lagu lil ripper - feel the v
- lirik lagu vip - clara schuman
- lirik lagu sewerperson - 3:24am
- lirik lagu sleepy poetry - sad girl
- lirik lagu megan and liz - think about you
- lirik lagu pek99 - j&j
- lirik lagu tegan and sara - suffer
- lirik lagu klighthimself - up all night